airtel

Fandriampahalemana

08-sept-2022

Fandriampahalemana

Mananara Avaratra Tsy ampy taona ny 2 tamin’ireo mpamaky trano sy magazay

Sample post image

Trano fivarotana iray no fantatra fa vaky tao amin’ny fokontany Tanambao, Antanambao, Antanankoro, distrikan’i Mananara Avaratra afak’omaly 06 septambra.

08-sept-2022

Andian-jatovo manodidina ny 16 ka hatramin’ny 18 taona no tompon’antoka tamin’izany izay marihina fa tsy ampy taona ny iray. Raha araka ny fantatra dia miditra amin’ireny toeram-pivarotana toy ny Epicerie ireny izy ireo ka misy amin’izy telolahy no mampiresaka ny mpivarotra ary ny sasany kosa manararaotra maka ny entana rehefa variana ilay mpivarotra. Tompona tranom-barotra iray misy caméra de surveillance anefa no tonga teny amin’ny biraon’ny polisy tany an-toerana nametraka fitoriana ka nahafahana nisambotra ireto olon-dratsy ireto. Rehefa natao ny fanadihadiana azy ireo dia fantatra fa efa isan’ireo mpanao asa ratsy efa karohin’ny polisy any an-toerana izy ireo. Misy amin’izy ireo no manao halatra mitam-piadiana ary miditra an-keriny ihany koa amin’ireo mpivarotra any an-toerana. Tsara ny manamarika fa vola sy fitaovana sarobidy hamidy no tena alain’izy ireo amin’izany asa ratsy hataony izany. Natolotra ny fampoavana omaly izy ireo ary fantatra. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ka fantatra fa samy nofaizina araka ny lalana avokoa.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy tratra
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap