26 taona no zandriny indrindra raha 46 taona no zokiny indrindra tratra tany ami’ity distrika ity afak’omaly. Nidina avy hatrany tao an-tranon’izy telo mirahalahy ny mpitandro ny filaminana raha vantany vao nahare izany. Tratra niaraka tamin'izy ireo nandritra izany ireo fitaovana maro isan-karazany entiny hanamboarana ireo vola sandoka izay vitan'izy ireo dika mitovy tahaka ny vola tena izy mihitsy. Vola sandoka mitentina 96.050.000 Ariary no efa vitan'izy ireo ka miisa 4. 737 amin'ireo no vola 20. 000Ar. ,130 isa kosa ny vola dika mitovy amin'ny 10. 000Ar, miisa roa kosa dika mitovy amin'ny 5.000Ariary. Efa natao fanadihadiana moa izy telo mirahalahy ireto ka fantatra fa hiakatra fitsarana anio.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy telo mirahalahy sy ireo vola sandoka efa vitany
Leo sy tofoka tanteraka amin’izao fitondrana mijoro izao ihany koa ny fikambanana Albinos Madagascar tarihin’ny
Henjana ihany ity fitiavana te-hanan-karena ity. Misy manaotao foana mihitsy ny sasany toy ireo mpisipa roa tany
Mihamahazo vahana tato ho ato ny halatra taolam-paty amin’ny alalan’ny vaky fasana. Ireo kaominina ambanivohitra
Mpivady no niray tetika namorona fakàna an-keriny tany Ankazobe ny 22 septambra teo, raha ny fampitam-baovao voaray.