Olona roa hatreto raha araka ny loharanom-baovao azo no nalaina taova tao amin’ity kaominina ity ka anisan’izany ilay Rangahy lehibe iray 60 taona vao namoy ny ainy tamin’ny Alakamisy alina teo. Raha tsiahivina dia nalana ny lela, ny sofina ary ny mason’ity lehilahy ity. Mbola nalana ihany koa anefa ny mahalehilahy azy raha araka ny loharanom-baovao ka olona miisa 5 no efa midoboka any am-ponja amin’izao fotoana izao. Fa talohan’Itompokolahy dia zaza vao 8 taona monja ihany koa no nisy naka taova tao amin’ity kaominina ity ny 18 febroary lasa teo.Taova maromaro no nalana taminy raha araka ny fanazavana azo avy any an-toerana hatrany, antony namoizany ny ainy. Efa napetraka eo anivon’ity kaominina ity araka izany ireo karazana paikady hahafahana mamongotra ireo mpanolo olona any an-toerana.
Nangonin’i Pati
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy