kaominina ambanivohitra Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana ny alin’ny 11 Janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tokantrano miisa 2 no lasibatra tamin’izany ka ny tokantrano voalohany dia mpivarotra amoron-dalana izay voaroba vola 2 tapitrisa Ar sy finday miisa 3 ary vata fahitalavitra fisaka iray. Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy nandritra izany ilay lehilahy tompon-trano. Raha araka ny fantatra dia ny vadin’ilay madama mpivarotra amoron-dalana io taloha ihany no ahiana ho nahavanon-doza. Tsy nitsahatra ny namoaka vava fandrahonana sy nanao ambana matetika mantsy ny lehilahy koa ahiana ho naniraka jiolahy nanafika sy ati-doha nikotrika ilay fanafihana. Ilay tokantrano faharoa indray dia nahazoan’ireo jiolahy vola 160.000 Ar sy finday saingy tsy nisy ny aina nafoy. Ny 17 Febroary teo moa vao nosamborina io lehilahy iray ahiahiana sy ireo namany miisa 2 ka anisany ny mpiara-monina izay manana lonilony sy ny mpitondra fiangonana iray izay nanao fandrahonana ihany koa vantany vao voasambotra ilay voalohany. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary sy ny mpitsara moa dia naiditra am-ponja zy roalahy voalohany raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay mpitandrina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra !
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,