Teo anoloan’ny toerana fiantsoanan'ny kodiaran-droa na moto teny an-toerana izy ireo no tratra. Nanendaka tsy nitsahatra ireo kodiaran-droa izy ireo nefa ny mpitandro ny filaminana tsy nitsahatra ny nijery akaiky ny zavatra nataon'izy ireo. Niezaka ny nandositra ihany moa izy roalahy ireto saingy tsy afa-niala intsony. Rehefa natao ny fisavana azy ireo dia nahitana " lame" fandidiana sy "cache moyeu de marque Hyundai galloper 01 " ary certificat de mise en liberté 01 teny amin'izy ireo. Teo no nahitana fa vao nivoaka ny fonja ny iray tamin'izy ireo ary mbola tamana angamba ka izao niverina nanao ny asa ratsiny izao sahady.
Nangonin’i Pati Legende : Ireto izy roalahy
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy