airtel

Fandriampahalemana

23-août-2022

Fandriampahalemana

Miarinarivo Rava ny tambazotra iray mpangalatra sy mpividy henan-kisoa

Sample post image

Tratra tao Miarinarivo ny olona telo izay tena tompon’antoka amin’ny ambazotra lehibe mpangala-kisoa. Afak’omaly Alahady 21 Aogositra no nahatrarana azy ireo.

23-août-2022

Mampikaikaika ny mponin’i Miarinarivo mihitsy ny fisian’izy ireo raha tsiahivina, izay ahitana mpividy henan-kisoa halatra. Raha tsarina dia misy ireo mpangalatra kisoan’olona any am-bala, misy kosa ireo mpandray ny hena halatra avy eo. Noho ny angom-baovao azon’ny Polisy miasa any an-toerana, dia tratra tao amin’ny tananan’i Miarinarivo ny lehilahy iray mpivarotra henan-kisoa halatra. Noentina tany amin’ny birao ity farany nanaovana fanadihadiana, ka tamin’izany no nahafantarana ireo namany hafa mpiray tambazotra aminy. Vantany vao azo ny mahakasika ireo namany, dia natao avy hatrany ny vela-pandrika rehetra, ka tratra ny olona roa naman’ilay mpivarotra kisoa halatra. Misy ny mpangalatra araka izany raha misy ny mpamono ny kisoa halatra. Noentina tao amin’ny biraon’ny CSP Miarinarivo ihany koa ireto roa lahy ireto. Efa hatreto amin’ny faritr’Antananarivo moa no fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny araka ny fanadihadiana natao. Niaiky ny heloka vitany ity tambazotra mpangalatra kisoa ravan’ny polisin’ny Miarinarivo ity. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap