airtel

Fandriampahalemana

07-août-2023

Fandriampahalemana

Minisitry ny Fitsarana “Heloka, lasa mifototra aminao ny fitsaram-bahoaka”

Sample post image

Efa misy ny ezaka ataon’ny Fanjakana eo anivon’ny fitsarana dia ny mba hanakaikezana ny vahoaka,

07-août-2023

mba hihainoana ny fitarainan’ny vahoaka eny ifotony, hoy ny Minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Rtoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa ny faran’ny herinandro teo. Naneho hevitra sy nitondra hafatra eo anatrehan’ny raharaha fitsaram-bahoaka sy ny fisiana fanoherana ny fanagadrana olona voarohirohy amin’izany ity Minisitra ity. “Na inona na inona ny raharaha dia misokatra ho an’ny rehetra ny fitsarana, ka toherina satria tsy mifanaraka amin’ny lalàna velona eto amintsika ny fitsaram-bahoaka sy ny famonoana olona. Heloka eo anatrehan’ny lalàna izany na nanana ny rariny aza ianao ka namono olona, ary lasa mifototra any aminao ilay famonoana olona satria efa misy ny rafitra napetraky ny fitondram-panjakana dia ny fitsarana izay natao hitsara antsika rehetra”, hoy io Minisitra io. Raha misy, hoy izy, ny raharaha ara-keloka, ny raharaha ady madio, dia entanina ny manan-draharaha mba hanatona ny rafi-pitsarana mahefa. Misy rahateo, hoy izy ny antanan-tohatra rehetra ao anatin’izay fitsarana izany, izay azo atonina. Misy kosa anefa ny paikady tsy maintsy arahina na ady madio io na ady heloka. Tamin’iny herinandro lasa iny moa, dia tranga roa isan’ny nisongadina ny tany Ambatondrazaka nisian’ireo Fokonolona avy any Mangalaza nirohotra nakeny amin’ny fonja nitaky famoahana ireo olona miisa 6 voarohirohy tamin’ny raharaha fitsaram-bahoaka ka notakian’ireo vahoaka ny hamotsorana azy satria nilaza izy ireo fa niaro tena no natao, ary olona tonga handroba sy hamono no novonoin’izy ireo. Nanome fe-potoana 5 andro hamoahana ireo olony mihitsy aza ireo fokonolon’I Mangalaza. Tahaka izany ihany koa ny Ankafotra Manalalondo, izay nilanja sora-baventy ihany koa ny fokonolona teo anatrehan’ny fanagadrana ireo namany, izay voarohirohy ho nanao fitsaram-bahoaka ihany koa, ka nambara fa niaro ny fananany teo anatrehan’ny olon-dratsy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap
26-mai-2025

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazàna ny faha 102 taonan’ny Sekoly

Card image cap