airtel

Fandriampahalemana

21-mai-2024

MIPARITAKA NY ZAVA-MAHADOMELINA

« Tokony handray ny andraikiny ny raiamandreny isan-tanana »

Sample post image

Dimy isan-kerinandro raha kely ireo tanora tratra mifoka rongony sy ireo mpamatsy

21-mai-2024

izany isan-tanana haiditra am-ponja vonjimaika eto amintsika, raha araka ny loharanom-baovao azo. Mpanaparitaka zava-mahadomelina sy mpifoka rongony no mety hameno ny fonja atsy ho atsy vokatr’izany, antony nanosika ny Raiamandreny ara-drazana Randrianatoandro Robert hivoaka tamin’ny fahanginana. Nambarany fa antony miteraka ny fahapotehan’ny tanora ankehitriny io fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto amintsika io izay efa tena lasa tsena mihitsy. Lasa mihenabe hoy izy ireo tanora mahavita fianarana hatramin’ny farany eny amin’ny anjerimanontolo ankoatra ireo any amin’ny lisea dia efa miraraka. Mirongatra ireo karazana herisetra toy ny fifanindromana antsy raha tsy lazaina intsony ny fanolanana sy ny halatra hataon’ireo tanora mba hahafahany mividy zava-mahadomelina hofohany na hitsindromany. Tokony handray ny andraikiny noho izany ny Raiamandreny isan-tanana mba hanara-maso sy hananatra ary hitaiza ny tanora tsy ho voasarik’ireny zava-mahadomelina ireny. Ho an’ny mpitandro ny filaminana kosa dia nambarany fa efa tena manao ny asany izy ireny amin’ny fisamborana ireo mpifoka rongony sy ny mpanaparitaka izany. Ho an’ny Fitondram-panjakana dia hentitra izy nilaza fa rehefa tena tsy vita ny manafoana ny fiparitahan’io zava-mahadomelina io eto amintsika dia tokony hahena araka izay tratra izany fa tsy avela ho gaboraraka tahaka izao.
Pati
Legende : Izy no Randrianatoandro Robert, mpitazona ny hasim-piandrianan’Imerina !

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka

Card image cap
07-févr-2025

Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora

Card image cap
06-févr-2025

Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty

Card image cap