airtel

Fandriampahalemana

18-oct-2024

Misy toe-javatra hafahafa ao Toamasina…

Mifampiandry kendritohana ny polisy sy zandary ?

Sample post image

Mafampana ny raharaha tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy,

18-oct-2024

fa isan’ny tena mampivarahontsana ny ao Toamasina. Sesilany ny fanafihana samihafa, vono olona,… ka isan’ny mbola mampiahiahy hatramin’izao ny fahafatesan’ilay lehilahy iray 28 taona vao andro vitsy, izay mbola mifamahofaho tanteraka ny raharaha famonoana azy. Ity farany izay maty notsatotsatohana ny antsy ny vatany. Voalaza fa mpanome vaovao ny zandary na « agent de renseignement » izy io, fa misy ihany koa ny filazana fa jiolahy novonoin’ny namany. Asan-jiolahy tsotra sa misy resaka valifaty ? Tena tsy fandriampahalemana tsotra ny mitranga sa misy afera avo lenta hafa ? Mijanona eo amin’ny sivily fotsiny sa misy hidiran’ny mpitandro ny filaminana ny toe-draharaha ao Toamasina ? Tena mifankahazo sy mifameno ireo rantsan’ny mpitandro ny filaminana sa misy ny ady mangatsiaka sy fifampiandrasana kendritohana ? Raha ny feo miainga ao Toamasina mantsy amin’izao fotoana izao, izay tena saropady saingy tsy maintsy potsirina, eny fa na ny ao anatin’ny mpitandro ny filaminana aza nahazoana vaovao mari-pototra amin’ny fisiana fifanentanana ho mailo eo anatrehan’ny mety hisiana valifaty noho ny fisiana lonilony. Ahiana ho isan’ny anton’io ny raharaha fisamborana manamboninahitra Kaomisera iray tao Mahanoro, izay mpitandro ny filaminana zandary iraky ny Bianco no voalaza fa nitarika ny iraka nanao ny asa, ary niafara tamin’ny fampidirana am-ponja an’io manamboninahitra io. Raharaha faharoa ny ny nanagadrana ny koaomisera iray izay nitana andraikitra ambony teo anivon’ny polisim-pirenena tao Toamasina teo aloha. Matetika fandre eto amintsika ny fisiana saonjo iray lohasaha any anatin’ny mpitandro ny filaminana izay lasa miray tendro amin’ny jiolahy ka sanatria misy endrika an’izay ve ao Toamasina ? Sa sanatrian’ny vava mifandrora tsy maimbo tokoa ny samy mpitandro ny filaminana ka mifampiandry kendritohana sy mety ho tonga hatrany amin’ny fifamaliana faty? Tsy finiavana hanakorontana saim-bahoaka sanatria, ary saropady sy tena stratejika ny fitandroana filaminana, ary tena iankinan’ny fitandroana sy fametrahana ny fandriampahalemana ho an’ny vahoaka, ary mifameno ny mpitandro ny filaminana na inona na inona rafitra misy azy ka sao sanatrian’ny vava ny mety ho endrika ady mangatsiaka sy ny fifampiahiahiana na fifampiandrasana kendritohana no vao mainka hitera-doza hafa?
Toky R

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap