airtel

Fandriampahalemana

25-janv-2024

Mitohy ny fihantsian’ny dahalon’Ankazobe

Olona 3 nalaina an-keriny, 1 maty, 1 naratra,…

Sample post image

Tena manao ny hataony ny dahalo any amin’ny distrikan’Ankazobe no

25-janv-2024

sady mamono mahafaty olona hatrany. Raha araka ny loharanom-baovao voaray mantsy dia nitrangana fakana an-keriny indray tao Talatan’Angavo ny talata hifoha omaly Alarobia 24 Janoary alina tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Raha araka ny fanazavan’ny fianakavian’ireo lasibatra dia niditra tao an-tanana toy ireny hanafika ireny ihany ireo dahalo manodidina ny 20. Raim-pianakaviana iray nifanehitra tamin’izy ireo no avy hatrany dia notifiriny ka namoy ny ainy. Nasesin’ireo tsy mataho-tody indray ireo vehivavy sendra azy tao an-trano noho izany ka ny roa vehivavy efa lehibe raha mbola manodidina ny 11 taona eo ho eo kosa ilay iray fanintelony izay nentin’izy ireo nanaraka azy avy hatrany. Olona iray hafa ihany koa no naratra mafy ka efa nalefa eny amin’ny hopitalin’ny miaramila Soavinandriana hatramin’ny omaly hariva. Raha araka ny fanampim-baovao azo omaly hariva fotoana nanoratanay moa dia lehilahy iray hafa ihany koa no notifirin’ireo dahalo mpaka an-keriny ireo ny lohany ka mbola tsy fantatra izay mety ho tohiny. Tsy mbola nitaky vola na nanao fihetsika hafa tamin’ny fianakavian’ireo olona nalaina an-keriny ireo moa ireo jiolahy mpaka an-keriny hatramin’ny omaly hariva.


Rehefa tena zohiana, tena mihantsy ara-bakiteny ny dahalo, ka na teo aza ny fahasamborana sy fahafatesan’ny naman’izy ireo maro tao anatin’ny hetsiky ny mpitandro ny filaminana, ny fisian’ireo olona voarohirohy ho mpiray tendro aminy miisa 9 niboboka any am-ponja izay misy miaramila 5 voasaringotra tamin’ny fahafatesan’ny ben’ny tanànan’Andranomiely, ny karazana hazalambo mandeha ataon’ny andian-tafika,… dia toa arakaraka ireny no vao mainka mamporisika azy ireo hanao ny ataony. Efa nisy mihitsy aza moa tapa-bolana lasa izay ny karazana hafatra mifandrefy amin’ny mpitandro filaminana. Hary fitaovana ireo dahalo ka mbola fanontaniana mipetraka ny hoe : avy aiza sy iza marina no mamatsy an’ireny ?
Pati
Legende : Masiaka ny dahalo eto Ankazobe !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap