tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Fandriampahalemana

Morarano , Androndra Mpitsindrona rongony mahery vaika enin-dahy no tratra

Lehilahy miisa 06 no tratra nitsindrona sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’iny faritra Morarano sy Androndra iny ny 25 janoary teo.

27-janv-2023

Sample post image

Tsikaritry ny Polisy miasa ao amin’ny STUP Anosy fa misy toerana fifohana zava-mahadomelina mahery vaika eny an-toerana. Tsy niandry ela fa nidina avy hatrany ireto farany nijery ny zava-nisy sy nanao ny fanaraha-maso ilay toerana voalaza. Lehilahy miisa 4 no tratra vokatr’izany izay 26 ka hatramin’ny 31taona. Tratra niaraka tamin’ny fitaovana fampiasa rehefa mitsindrona heroine izy ireo toy ny fanjaitra, capsule, ary briquet.Tamin’ny fanadihadiana dia niaiky ny telo tamin’izy ireo fa mpitsindrona. Nitohy hatrany moa ny fisamborana ka ny andro’io ihany dia tra-tehaka teny Ambohimanatrika Tanjombato ny lehilahy roa 27 sy 32 taona izay mpamatsy sy fividianan’izy ireo heroine. Mbola nahatrarana heroine milanja,1,94g tao amin‘ny trano fonenany nandritra ny fisamborana.Ny iray amin’izy roalahy ireto dia irakiraka raha mpamongady kosa ny lehilahy iray hafa. 5.000 Ar na 10.000Ar no hamarotany ny heroine 1 fonosana(rorona dose). Misy olona hafa kosa fividianany ireo entana ireo . Mahavita 30 fonosana ny 1grama. Mahalafo 10 ka hatramin’ny 15 fonosana izy ireo rehefa mivarotra. Tsy manome raha tsy ny olona fantany na izay mahafantatra azy ihany ilay irakiraka. Ireo mpitsindrona kosa dia mahalany roa fonosana isan’andro izay hatao maraina sy hariva.Efa nigadra moa ny iray tamin’izy ireo noho ny resaka fihinanana heroine. Vao nivoaka ny fonja vao roa volana lasa izy noho izany. Natolotra ny fampanoavana omaly izy enin-dahy ireto ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Izy enin-dahy mpisera sady mpitsindrona héroïne

Dans la même rubrique

Card image cap
Asan-dahalo sy vono olona Lavon’ny balan’ny zandary i Iarisy
27-mars-2023

Maty ilay dahalo raindahiny antsoina hoe IARISY na Randrianarisoa Elysé, araka ny fampitam-baovaon’ny

Card image cap
Ambolitara Itaosy Tratra ilay rangahy mpivarotra sy mpamboly rongony
27-mars-2023

Mirongatra ny fivarotana sy fifohana zava-mahadomelina eny Itaosy sy ny manodidina. Tsy hanavahana sokajin-taona intsony ireo mandray izany no sady tsy hanavahana toerana intsony ihany koa ny hifohany izany.

Card image cap
Arivonimamo Alain’ny jiolahy hatramin’ny trondro eny an-tanimbary
24-mars-2023

Mahatratra 18.000 Ar ka hatramin’ny 20.000 Ar amin’izao ny iray kilao amin’ny trondro eny an-tsena izany hoe : lafo noho ny hena.

Card image cap
Fisolokiana eny amin’ny cash point Nahazoana 5 tapitrisa Ar nananganana épicerie
24-mars-2023

Olona miisa telo, vehivavy ny roa 39 sy 21 taona, ary lehilahy 22 taona no nosamborin'ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika voalohany Anosy ny 21 martsa teo teny Ambondrona rehefa nisoloky.

Voir plus