airtel

Fandriampahalemana

29-juil-2026

Morarano Antongona

Taribin-jiron'ny Jirama 420 m nisy nangalatra

Sample post image

Lasibatry ny mpangalatra ny taribin-jiron'ny Jirama.

29-juil-2026

Fanairana nataon'ny mpanjifa mahakasika fihenan'ny tanjaky ny herinaratra any Faharetana, Morarano Antongona no nampihetsika ny Jirama avy hatrany ka nanao fitsirihana. Hita tamin'izany fa ireny taribin-jiro mitondra herinaratra mavesatra (Moyenne Tension) mirefy 420 metatra no lasan'ny jiolahy tao Antsahatanteraka, Morarano Antongona Faritra Itasy. Nametraka fitoriana an'olon-tsy fantatra eny anivon'ny manam-pahefana ny Orinasa Jirama mba hahafahana manokatra ny fanadihadiana noho io halatra taribin-jiro io. Etsy ankilany, manao ny ezaka rehetra hanafainganana ny fanoloana io taribin-jiro very io ihany koa ireo teknisiana nahafahana namerina amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra any an-toerana.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Tovolahy tsy salama saina matin’ny fitsaram-bahoaka

Card image cap
30-juil-2026

Raikitra ny savorovoro teny Ambohidahy Ankadindramamy

Card image cap