Itaizana olon-dratsy ho entina mandrava fananan’olona sy miteraka tsy fandriampahalemana izany », hoy ny solontenan’ny mponina avy any an-toerana raha nihaona tamin’ny mpanao gazety. Olona maro no voatonona amin’izany, ary misy jiolahy efa mpamerin-keloka amin’izany. Nametraka fitoriana ho an’ireo olona voalaza fa mpitarika ireo olon-dratsy ireo ny solontenan’ny mponina any an-toerana. « Nametraka taratasy fitoriana an’i Hortensia sy Berthin eny anivon’ny kaomandin’ny zandarimaria Faritra Menabe Morondava noho ny fanaovana fikamban-jiolahy any an-toerana », hoy ny solontenan’ny mponina ihany, izay nitondra ny raharaha amin’ny ambaratonga ambony kokoa. Raha ny fanazavana ihany, niatomboka amin’ny fakana tanin’olona ity raharaha ity, ary eo amin’io tanin’olona io no nananganan’ireo olona toriana ilay tobim-pamaharana voalaza io. Toerana izay voalaza fa anaty kizo ary sarotra ahatongavana. Ny taona 2014 no nitrangan’ny fakana tanin’olona izay efa niakatra Fitsarana ny raharaha ka naharesy ireo naka tany an-keriny tamin’izany. Efa nisy fiakaran’ny raharaha teny amin’ny Fitsarana ambony ny volana may 2020 ka namoahan’ny Fitsarana tany Toliara didy manala ireo olona voakasika tamin’ny tany. Tsy nety niala anefa ireto farany fa namahatra ary izao nanangana toby izao na efa didy roa aza no nivoaka. «Izy ireo no mampihorohoro ary milaza fa tsy misy afaka manala azy any an-toerana fa azy daholo ny fanjakana any Morondava, azy ny « domaine », ny Fitsarana, ny mpitandro filaminana. Nisy fotoana nandresy teny amin’ny Fitsarana izy ireo kanefa nampiakatra ny Fokonolona ary naverina ny Fitsarana ka nandresy ary izao nalana tamin’ny tany izao ireo saingy tsy mety miala », hoy ihany fitantarana. Maro ny fandikan-dalana avy amin’ireo olona toriana ireo, ary voatonona amin’ny tsy fandriampahalemana, toy ny halatr’omby, fakana an-keriny sns izy ireo sy ny tariny. Voalaza fa misy basy mihitsy amin’ioo tobim-pamaharana io, izay tsy azon’iza atonina. Efa eny anivon’ny zandary ny fitoriana. Miandry ny fandraisana andraikitra ny mpitory sy ny Fokonolona ka hiroso amin’ny dingana ambony kokoa raha tsy misy ny fepetra raisina.
Nanonin'i Jean D.
Ilay tobim-pamaharana azon’ny Fokonolona sary.
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy