tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fandriampahalemana

Moto very tetsy amin’ny parking 67 ha Saika namidy 3 tapitrisa Ar, tratra ilay mpanera

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy ao amin'ny Sûreté Urbaine de Tananarive momba ilay halatra moto nitranga ny herinandro lasa teo teny amin'ny Parking 67ha.

25-janv-2023

Sample post image

Raha tsiahivina kely ny tantara dia moto very tamin'ny 14 janoary izy io, mitondra ny marika Honda 125 ary nanaovan'ny tompony fitarainana. Nisy lehilahy iray milaza fa manana an'izany moto tadiavina izany ka hamidy amin'ny vidiny 3.000.000 Ar izany. Natao ny famotorana rehetra ka tamin’ny 21 janoary teo no nojerena teny amin’ny 67 ha parking ilay moto. Efa nametraka ny vela-pandrika rehetra ny Polisy tamin'izany ka rehefa tonga teo ilay mpanera dia niantso ilay namany manana ilay moto. Vao hitan'ity farany avy lavitra anefa ilay tompona moto very dia lasa nandositra avy hatrany izy niaraka tamin'ny moto. Nosamborina avy hatrany ilay mpanera raha tafatsoaka kosa ilay namany niaraka tamin'ny moto ka nentina tany amin'ny birao nanaovana fanadihadiana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa 1.000.000 Ar no anjaran'ity mpanera ity rehefa lafo ilay moto halatra. Milaza kosa izy fa tsy mahafantatra na halatra na tsia ilay moto. Natolotra ny fampanoavana afak’omaly alatsinainy ka naiditra am-ponja vonjimaika ilay mpanera saika hivarotra ilay moto.
Pati
Legende : Ity ilay mpanera moto nalefa eny Antanimora
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fandraisana mpitandro filaminana Mila matotra sy hentitra kokoa ny fepetra sy sivana
02-juin-2023

Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,

Card image cap
Polisim-pirenena Olon-dratsy 255 tamin’ireo1442 nosamborina no maty
02-juin-2023

Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.

Card image cap
Ministeran’ny filaminam-bahoaka Foto-drafitrasa 45 no naorina tao anatin’ny efa-taona
02-juin-2023

Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.

Card image cap
Mpanendaka tratra teny isotry Nahitana diana seringue fitsindronana rôrô ny tanany
01-juin-2023

Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.

Voir plus