airtel

Fandriampahalemana

30-janv-2024

Fandriampahalemana

MPAMATSY RONGONY AN’ANKADINDRATOMBO

Sample post image

Vehivavy roa 34 sy 38 taona no nalefa eny Antanimora

30-janv-2024

Anisan’ny faritra mena amin’ny fivarotan-drongony ihany koa ny eny amin’iny faritra Ankadindratombo iny. Tsy lehilahy toy ny mahazatra intsony no manao izany fa efa betsaka ny vehivavy toy ireo miisa roa tratra teny Ankadindratombo ny 25 Janoary teo. 34 sy 38 taona izy ireo izay marihina fa efa Renim-pianakaviana avokoa. Na izany aza efa fantatry ny mpitandro ny filaminana ny fisian’izy ireo. Tsy niandry ela iretsy voalohany fa nidina teny an-toerana ka tratra ambodiomby teo am-pivarotana rongony mihitsy izy mirahavavy. Ilay voalohany 34 taona nahatrarana rongony 72 fonosana sy rarany milanja 400g. Mahazo vola 20.000 Ar isan’andro tombony amin’ilay entana hamidiny izy mandritra izany. Iray volana no nanaovany ity asa ity. 80 fonosana sy rarany milanja 400grama kosa no vidiany eny Namontana ary tsinjaraina sy hamidiny. Ilay faharoa 38 taona kosa nahatrarana fonosan-drongony miisa 15 . Ity farany moa eny amin’inny faritra Alasora iny no mividy izany isan-kerinandro. Ny volana desambra 2023 no nanomboka nivarotra rongony ny tenany ka 1.000 Ar no hamarotany ny iray fonosana. Lehilahy ihany no mpanjifa izany eo aminy. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa izy mirahavavy ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa any am-ponja izy mirahavavy ireto !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap