airtel

Fandriampahalemana

27-nov-2023

MPANDEHA TAO ANATY TAXI-BROUSSE

Notsindromin’ilay vehivavy antsy ilay olona teo akaikiny

Sample post image

Aleo malimalina ihany rehefa mitaingina taxibe na taxi-brousse.

27-nov-2023

Tsy fantatra intsony mantsy izay zavatra mety hitranga indrindra amin’izao hasarotan’ny fiainana izao. Misy ny olona heverina ho salama saina tsara mipitika vetivety eo, raha misy ihany koa ireo heritreretina ho sitrana nefa manao ny hataony tampoka. Tsy misy hafa amin’izay ny fihetsika nataon’ity vehivavy iray, mpandeha tao anaty fiara fitateram-bahoaka avy any Mahajanga ho any Toliara ny Zoma lasa teo. Notsindrominy antsy tampoka mantsy ilay lehilahy nipetraka teo akaikiny ka naratra mafy ny tanan’ity farany. Niantso zandary haingana ilay mpamily nanoloana izany raha nentina namonjy mpitsabo ilay naratra. Notazonina tao amin'ny biraon'ny zandary ihany koa ilay vehivavy nandratra olona. Nambaran’ny vadin’ity vehivavy ity nandritra izany fa misy tsy fahasalamana tampoka izay ny sain'io vadiny io indraindray. Na izany aza tsy maintsy niantohany ny fitsaboana ilay mpandeha naratra. Tsy nanaiky ny nijanona moa ity farany satria mbola maika fahoriana no sady tsy nitory ihany koa ka nizotra hatrany ny dian’ireo mpandeha tao anaty fiara. Tsy nisy nety niaraka tamin'ilay vehivavy kosa ireo mpandeha rehetra ka voatery najanona tao Ambatolampy izy 5 mianaka. Niaraka tamin’ny zanany telo mantsy io Ramatoa io sy ilay vadiny. Efa nitadiavam-bahaolana kosa anefa ny fahafahan’izy ireo mamonjy fodiana.
Pati
Legende : Ity ilay Ramatoa nandratra olona sy ilay taxi-brousse nandehanany !

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap