airtel

Fandriampahalemana

31-août-2023

Mpanendaka iray tao Toamasina

Nahatrarana rongony sy “seringue” fitsindronana heroïne

Sample post image

Vehivavy iray ny harivan'ny 29 Aogositra lasa teo tokony ho tamin'ny 06 sy sasany no nisy nanendaka tao Tanambao V, Toamasina.

31-août-2023

Lasan'ilay jiolahy tamin'izany ny findain’ity ramatoa ity izay fantatra fa vao 27 taona monja. Tsikaritr’ireo polisy izany asa ratsiny izany ka raikitra ny fifanenjehana ary tratra tsy lavitra teo ihany ilay jiolahy. Rehefa natao ny fisavana azy dia mbola hita teny aminy ilay finday ary mbola nahitana rongony sy "seringue" fitsindromana héroïne ihany koa. Ankoatra izay dia "puce" miisa 05 ihany koa no hita teny aminy niaraka tamin'ny fitaovana fampiasa amin'ny fanaovam-bolo. Hatolotra ny fitsarana anio Zoma 31 Aogositra ity jiolahy mpifoka sady mpanendaka ity.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana sy ireo fitaovana tratra tany aminy !

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap