airtel

Fandriampahalemana

12-avril-2023

Fandriampahalemana

Mpanendaka tratra teny Andoharanofotsy Niala maina ireo izay nidaroka azy

Sample post image

Mpanendaka iray no saron’ny fokonolona saika hanao toy ny fanaony mahazatra omaly teny Miadamponina Andoharanofotsy.

12-avril-2023

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nikasa hanendaka olona handeha hiakatra hamonjy an’Iarivo ity lehilahy iray ity. Nisy olona nahatsikaritra anefa izy nandritra izany ka tonga avokoa ny fokonolona nanao fitsaram-bahoaka azy. Ny nahavariana dia niala maina ohatra ny takotra avokoa ireo olona nidaroka azy. Efa nanaovana darok'alikan'ny tsy miala vola mihitsy ity lehilahy ity nandritra izany fa tsy nety naratra. Ireo mpidaroka indray no reraka talohany ka naterina teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ilay ranamana. Raha araka ny fanadihadiana natao manokana moa dia misy amin’ireo mpangalatra sy mpanendaka tahaka ireny no manao ody totohondry ka tsy maratra mihitsy rehefa darohina. Ho an’ireo efa dahalobe indray dia misy manao ody basy koa na tifirina im-betsaka aza tsy maty raha tsy hiandrasana an-kendry tohana mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Mbola nizesta be tahaka izao ilay mpanendaka nefa efa olona maro no nidaroka azy
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap