airtel

Fandriampahalemana

17-janv-2023

Fandriampahalemana

Mpangalatra 3 lahy tany Betafo « Biscuit » sy vovon-tsavony no saika nahafaty

Sample post image

Telolahy nangalatra bisikoitra, menaka baume sarabe, fanafodin'omby ary vovon-tsavony no saika matin’ny fitsaram-bahoaka tany Mahaiza sy Mahamarina, kaominina Betafo omaly.

17-janv-2023

Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisakana vehivavy iray avy nivarotra tao Mahaiza Antamponandrindra izy telolahy ireto ny 13 janoary teo. Norobainy tamin’izany ny fananan’io vehivavy io toy ireto entana halatra nalaina voalaza etsy ambony ireto. Niara-nientana nanao fikarohana nanampy ilay vehivavy ireo mponina avy ao Mahaiza sy Mahamarina, kaominina Betafo ka tratra soamantsara izy ireo. Ho atolotra ny fitsarana rahampitso Alarobia moa izy ireo raha araka ny fantatra aorian’ny fanadihadiana hataon'ny mpitondra filaminana.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy
 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Ramatoabe iray 71 taona no fantatra fa voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny

Card image cap
13-juin-2025

Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.

Card image cap
13-juin-2025

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,

Card image cap