airtel

Fandriampahalemana

07-août-2023

Fandriampahalemana

Mpangalatra akoho ao Imerintsiatosika Zaza tsy ampy taona no lasa tontakely

Sample post image

Mirongatra ny halatra akoho ao Imerintsiatosika ao. Ireo Fokontany eny ambanivohitra no tena mitondra faisana amin’izany.

07-août-2023

Tokantrano 3 raha kely isan’andro no mitaraina ho very akoho. Samy malina nandray fepetra ny rehetra noho izany ka zazalahy kely samy mbola tsy ampy taona miisa roa omaly hariva tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany no sarona tao Ambiky, fokontanin’i Mamoladahy, kaominina Ambonivohitra Imerintsiatosika. Nosamborin’izy ireo ny akohon’olona saingy nisy nahita izy mirahalahy kely. Noraisim-potsiny izy ireo noho izany ka taorian’ny nanasazian’ny fokolona azy dia nentina avy hatrany niazo ny biraon’ny zandary izy ireo. Ahiahian’ny maro moa ny mety hisian’ny olon-dehibe na tambajotra mpivarotra akoho halatra maniraka azy ireo, izay fototry ny fanadihadiana hoataon’ny zandary amin’izy ireo. Nangonin’i Pati
Legende: Ireto izy roalahy kely tratra !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap