airtel

Fandriampahalemana

07-juin-2021

Fandriampahalemana

Mpangarom-paosy anaty taxibe Efa fantatry ny mpamily sy ny resevera ny ankamaroany

Sample post image

Mirongatra sy mahazo vahana ireo mpangarom-paosy any anaty taxibe eto an-drenivohitra tato ho ato.

07-juin-2021

 

 

Mitombo isan’andro ireo olona nitaraina ho very vola na entana rehefa mitaingina azy ireny. Amin'ilay misisika miditra na mivoaka ny fiara iny no tena fanaovan' ireo tsy mataho-tody ny asa ratsiny. Roa na telo izy ireo no indray miaraka ka misy ireo mody misisika sy mibahana, raha mangarona ny paosy sy ny kitapo na poketra ny sasany.Tsy mijanona ela anaty taxi be izy ireny "mpisama" fa afaka arrêt 1 na 2 dia miala rehefa azony izay ilainy. Raha ny fanehoan-kevitry ny mpandeha moa dia fantatry ny sofera sy ny resevera tsara ireny mpangarom-paosy ireny saingy matahotra ny ainy ireto farany. Nisy mantsy ireo efa voahambana tamin’ny antsy taorian’ny nilazan’ny resevera iray fa nisy mpangarom-paosy eo akaikin’ny mpandeha iray. Tokony ho sofera sy resevera tsy matahotra mpangarom-paosy araka izany hoy ny olona no hampiasaina hanampiana ireo mpanjifa. Na izany aza anefa dia misy kosa ireo resevera sy sofera efa mampitandrina ka ny fitandremana sisa no tokony hatao be dia be.

Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap