airtel

Fandriampahalemana

14-juin-2021

Fandriampahalemana

Mpifaninana ho zandary 1500 Entanina hanao vaksiny ireo ho any Ambositra

Sample post image

Nanao fampitam-baovao momba ny «Fanentanana hanao vakisiny ho an’ireo mpifaninana hiatrika dingana faharoa hidirana ho mpianatra ho zandary»

14-juin-2021

 

 ny Zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny Kaomandiny Jeneraly Andrianjaka Njatoarisoa. Nivoaka iny ny valim-panadinana dingana voalohany hidirana ho mpianatra ho zandary; arahabaina ireo izay afaka ary ampaherezina ireo izay voatery mbola hamerina. Ho an'ireo izay hiatrika ny dingana faharoa; dia manentana azy ireo ny eto anivon'ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena ny mba hanaovana vakisiny raha misy ny ahafahana manao izany mialoha ny hamonjena any Ambositra, hoy ny fampitam-baovao. Mpiadina 1500 any ho any mantsy no voatery hifangaro, ary ireo rehetra ireo dia avy any amin'ny lafivalon'ny Nosy. Ny valanaretina anefa dia mbola eo dia eo tokoa ary ny dingana faharoa dia mbola ao anatin'ny ririnina. Noho izany dia heverin'ny fibaikoana fa manana tombony be dia be ireo vita vakisiny satria afaka hiatrika ny fifaninanana am-pahatoniana tanteraka. Marihina anefa fa fanentanana no atao, ary tsy misy teritery, tsy ho sokajiana ho antony tsy handraisana mpiadina akory ny tsy fahavitana vakisiny fa mba ho tombony fotsony ho an’izay nahavita, koa mankasitraka anao nandray ny torohevitra, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap