airtel

Fandriampahalemana

09-janv-2023

Fandriampahalemana

Mpifankatia mpiketrika mangalatra Ilay vehivavy mody mividy,ilay lehilahy manitrika am-paosy

Sample post image

Samy manao izay fomba hahazoany vola avokoa ny rehetra amin’izao. Tsy ny lehilahy irery intsony no manao izany fa misy vehivavy ihany koa.

09-janv-2023

Ho an’ny sasany dia mpifankatia mihitsy no indray mirotsaka an-tsehatra manatanteraka izany toy ireto tratra ambodiomby tetsy Mahamasina ireto. Mody miditra ao amin’ny trano fivarotana iray izy roa ka mody mijerijery entana. Mody mividy zavatra ilay vehivavy mandritra izany raha manararaotra maka izay zavatra mipetraka eo amin'ny latabatra fivarotana kosa ilay lehilahy rehefa variana ilay mpivarotra. Nisy nahatsikaritra anefa izany ka nampahafantatra ny Polisy miasa tsy lavitra io toeram-pivarotana io izy ireo. Tsy niandry ela koa ny mpitandro ny filaminana fa avy hatrany dia nisambotra ireto farany, ary rehefa nosavaina dia tratra tao am-paosin'ilay lehilahy ny finday sy ny vola 40 000 Ar nangalariny. Noentina avy hatrany teny amin'ny Kaomisarian’ny Boriboritany fahadimy moa ireto farany nanaovana fanadihadiana.
Pati
Legende : Ireto izy roa mpifankatia miketrika
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap
27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap