Taxibe nandalo teny amin’iny faritry 67 ha iny no nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny, omaly. Mianadahy izy ireo no niaraka raha araka ny fitarainana tovovavy kely iray. Rehefa samy nisisika hivoaka ny taxibe ireo mpandeha niala teo amin’ny 67 ha dia natsofok’ilay Rangahy teo amin’ny tananan’ity tovovavy kely iray ity ny sakaosy kely nentiny ary nolazainy fa nisy vola 300.000 Ar, hono, ka very. Io tovovavy kely io no nampangainy ho nanao izany. Nitsangana ilay Ramatoa iray namany nandritra izany ary nilaza fa tena marina fa nisy io 300.000 Ar io tokoa tao anatin’ny sakaosikelin’ity Rangahy ity namany ity ka very. Raikitra ny fifamaliana vokatr’izany ka navoakan’ny mpamily ilay taxibe sy ilay saofera izy ireo. Tsy nanaiky ireto mpisoloky ireto fa nentiny tany amin’ny biraon’ny polisy teo akaiky teo ilay tovovavy kely ary nametrahany fitoriana mihitsy. Tsy natahotra ihany koa moa ity farany raha araka ny fitantarany satria zavatra tsy nataony ary tsy nisy afa-tsy vola voafetra hataony saran-dalana sy sakafo atoandrony tany aminy. Nantsoina ny Ray aman-dRenin’ity tovovavy kely ity nandritra izany ka rehefa voaporofo tokoa fa tsy nangalatra itsy voalohany dia tsy taitra ireo mpisoloky nisintona ny fitoriany. Nanantena mafy ny hahazo ilay vola 300.000 Ar izy ireo saingy sendra ny nahay azy. Raha natahotra mantsy ilay tovovavy kely dia tsy maintsy nanao raharaham-pihavanana na dia tsy nangalatra aza dia azony ihany io lela-vola nolazainy fa very tao anaty sakaosiny io. Na ireo polisy aza gaga nahita ity trangan-javatra iray tetsy amin’ny 67 ha ity.
Pati
Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,
Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.
Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.
Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.