niaraka tamin’ny vady andefimandriny no maty notsatoham-badiny tamin’ny hety ny Alakamisy 07 Novambra alina lasa teo rehefa nifamaly izy ireo. Tao Bazary Ambanivolo, any Beanana Andapa izy ireo no nipetraka raha samy avy eto Antananarivo kosa no fiaviany. Rehefa Nihamafy ny fifandonana hoy ny vaovao dia kibon-dRamatoa sy lamosiny ary tratrany no nanamparan’ilay Rangahy ny heriny tamin’ny alalan’ilay hety natsatotsatony. Tsy nahatsiaro tena vokatr’izany ilay vehivavy ka voatery naiditra hopitaly. Na dia natao aza anefa ny fialana nenina dia namoy ny ainy ny Alatsinainy 11 Novambra teo ihany ilay Ramatoa. Mbola tsy hita kosa ilay Rangahy nahavanon-doza hatramin’ny nanoratana ny vaovao omaly hariva.
Pati
Legende : Ireto izy mivady !
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy