airtel

Fandriampahalemana

11-sept-2026

Mpivarotra sy Mpangalatra

Zaza Varira

Sample post image

Tambazotra iray ravan'ny Zandary, olona 5 voasambotra

11-sept-2026

Ravan'ny Zandary avy ao anivon'ny Vondrotobim-paritra Ambatondrazaka ny tambazotra iray Mpivarotra sy Mpangalatra Zaza Varira. Voasambotra tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Antanandava ny Alahady 6 Septambra 2026 teo ny olona miisa dimy rehefa nikasa nitondra zaza vavy kely, 4 taona, manana toe-tena Varira. Zaza nisy naka an-keriny tao Ambalabe Fokontany Mahasoa Kaominina Ambodimangavalo Distrikan'i Vavatenina ny 31 Aogositra 2026 io zaza Varira io. Olona telo no nitondra ny zaza avy any Vavatenina, ny roa niray tsikombakomba nampiantrano azy ireo. Voasambotry ny Zandary tao Sahatavy ireto farany. Efa tonga tao Ambatondrazaka naka ilay Zaza ny reniny avy any Vavatenina. Ny Zandary ao amin'ny Vondrotobim-paritra Fenoarivo Atsinanana no misahana ny famotorana ity raharaha ity.
Nangonin'i Jean D.
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

vinantony teo amin’ny lohany

Card image cap
17-sept-2026

Novonoina vao nariana tao, famonoana efa nomanina »

Card image cap