Any atsimon’i Malaimbady moa no misy io kaominina io. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Notafihin’ny dahalo ny tanàna ny sabotsy 24 jona lasa teo, ka lasa ny omby am-polony maro. Misy ihany ny borigadin’ny zandary, saingy tsy misy afatsy zandary miisa 3 ka tsy afa-nihetsika, raha toa ka manodidina ny 40 ireo dahalo izay nirongo fiadiana, hoy ny fanamarihana. Miantso vonjy sy manaitra ny Fanjakana moa ireo mponina any an-toerana noho ny fijalian’izy ireo eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana. Tsy any ihany, fa saika manerana ny Nosy no mikolay. Vao tsy ela ilay fanafihan-dahalo nahery vaika tany amin’ny distrikan’i Mandoto, izay ny dahalo mihitsy no mihantsy fa tsy ampy azy ireo ny mpitandro filaminana, fa ampio. Rehefa hetsika politika, henjana ny fandrangarangana hery sy ny daroka lakrimozenina, fa rehefa tsy fandriampahalemana any ambanivohitra, andihizan’ny malaso ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana izay matetika tsy ampy.
Toky R
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy