Lehilahy 2 teo ambonin’ny scooter mainty no nanatona ka nitifitra ny fiarako raha nanao fitsidihana ny Tanàna toy ny mahazatra aho isaky ny alahady. Tsy nisy ny aina nafoy ary salama tsara aho sy ny namako niaraka tamiko. Nitsoaka moa ry zareo fa efa misokatra ny fanadihadiana”, hoy ity ben’ny tanàna ity. Voalaza fa teo amin’ny fitaratra mifanandrify amin’ny mpamily no niantefan’ny bala, ary naseho an-tsary tao amin’ny tatitra sy fampitam-baovaony nataony. Fiara tsy mataho-dàlana tsy laitram-bala anefa io, ka izay no voalaza fa tsy nahavoa ny tao anatiny, raha toa ka nisy kosa ny diam-bala. Avo lenta ny raharaha tahaka itony ka samy manana ny mety handraisany azy. Hanao ahoana ny ho tohin’ny ambara fa fanadihadiana? Iza no mety hopehana ao anatin’ny raharaha? Mpanao politika no maneho fa lasibatra eto, ka amin’ny politika tsy misy zavatra kisendrasendra izany. Nialohan’ity tranga ity, maromaro ny toe-draharaha mahakasika ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Anisan’ireny ny karazana fifanaovana ampamoaka eo aminy sy ny mpandraharaha tompona orinasa fanaovan-gazety iray. Ny andaniny nilaza fa fanondranana zaza no nampanankarena ny fianankaviana Andriantsitohaina, ary nilaza fa vonona hifampitana amin’I Naina Andriantsitohaina hatrany amin’ny Bianco, tsy matahotra, ary vonona hifampitady hatramin’ny farany,… Ny ben’ny tanàna tamin’ny alalan’ny orinasan-gazetiny ihany koa tetsy andaniny nanao ampamoaka samihafa fa mpanao famotsiam-bola, mpandositra hetra,… io mpandraharaha io. Asa na misy ifandraisany amin’ireny ity raharaha ity na ahoana fa ny roa tonta aloha dia mpinamana ihany teo aloha no toa lasa mifandramatra, ary azo antoka fa mifankahalala afera tsara. Zavatra goavana sy avo lenta no nifanaovana ampamoaka, saingy hatreto tsy mbola misy resaka Bianco, na PAC (Pôle Anti-Corruption), SAMIFIN,… Tsy misy resaka fifampitoriana noho ny resaka fanalam-baraka.
INONA/IZA NO AO AMBADIKA ?
Tonga amin’ny resaka fifandatsahana aina ve ? Ara-politika, somary henjakenjana ny karazana valin-teny samihafa ataon’ny ben’ny tanàna ho an’ireo manakiana azy amin’ny lafiny fitantanana, fitondran-tena,… ka sao noho izany antony izany. Amin’ny lafiny iray hafa, misy ihany koa no mametra-panontaniana hoe: sao dia zavatra efa namboamboarina na “coup monté” hoenti-manao fa lasibatra na “victime” ny ben’ny tanàna mba hoentina mampiakatra ny laza ara-politika na “côte popularité”? Na koa tranga mety hoenti-manodina saim-bahoaka na “diversion” eo anatrehan’ny toe-javatra ara-politika manaratsy endrika ny fitondrana ? Fa mby tonga ao an-tsaina ihany koa ny hoe , iza moa amin’izao toe-draharaha misy izao no mahita na manana tombotsoa amin’ny famonoana ny ben’ny tanànan’Antananarivo ? Politika ve no antony sa resaka « business » sa olana ara-pianakaviana sa olana ara-piarahamonina.Tena mahaliana ny ahafantatra ny mety ho tohin’ity raharaha ity ka hamoahan’ny mpanao fanadihadiana ny tena atidoha nikotrika fa tsy ny sarin’ireo irakiraka fotsiny no atao mameno filazam-baovao avy eo.
Toky R
Tratra niaraka tamin’ny basy sy sabatra lavalela ireo jiolahy
Taorian’ny fiakarana fampanoavana, olona 47 be izao tamin’ireo 107 voarohirohy sy nosamborina tamin’ny raharaha
Tovovavy iray 23 taona no tratra nivarotra rongony teny Tanjombato afak’omaly 05 jona.