airtel

Fandriampahalemana

05-déc-2023

Namontana

Karana iray nisy nitifitra, lasa ny kitapo feno vola…

Sample post image

Nirefotra ny basy omaly 4 desambra tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany maraina tetsy Namontana,

05-déc-2023

ao anatin’ny Boriborintany fahaefatra eto Antananarivo Renivohitra. Vehivavy iray teratany karana teny ambony moto no nisy nitifitra an-kitsirano, ka voa teo amin’ny lohany, nitsikasina tamin’ny tany avy hatrany, ka nifamonjena nentina any amin’ny hopitaly. Jiolahy miisa efatra nitondra basy PA na « Pistolet Automatique » no nanao ny fanafihana raha ny fanamarihana vonjimaika. Voalaza fa nikasa handeha hanatitra vola izy io no izao lasibatry ny jiolahy izao, ka lasa ny kitapo teny aminy. Manao ranolava ny asan-jiolahy, ary miharihary fa tsy milamina ny tany na an-drenivohitra na ambanivohitra. Tena mateti-pitranga io ao anatin’izao vanim-potoana izao, indrindra fa akaiky fety. Betsaka no mitondra fanamarihana avy hatrany hoe : tsy arakaraka ny fampisehoan-kery rehefa miatrika fihetsiketsehana politika ny fepetra raisina ho fiarovana amin’ny asan-jiolahy, fa dia tena mandry tsy lavo loha ny Malagasy. Raha ny tatitry ny fanadihadian’ny UNICEF momba ny tsy fandriampahalemana, dia ny 63% amin’ny tanora no maneho fa noho ny fahantrana, 55,8% kosa no maneho fa noho ny tsy fisian’ny asa mampidi-bola, raha toa ka ny 26% kosa no milaza fa noho ny fihinanana ireo zava-mahadomelina. Mila jerena ireny any amin’ny politikam-pitantanana mba tsy ho diso kajy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap