airtel

Fandriampahalemana

30-mai-2023

Fandriampahalemana

Nampangaina ho mpangalatr’olona 3 lahy matin'ny fitsarambahoaka tao Fianarantsoa

Sample post image

Olona miisa 3 indray no matin’ny fitsaram-bahoaka tany Lalazana Fianarantsoa ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Raha araka ny vaovao azo dia miisa 4

30-mai-2023

izy ireo no tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana iray izay efa malaza ratsy ho fitondrana olona halatra hatrany. Nampangain’ny fokonolona ho mpangalatr'olona izy ireo vokatr’izany rehefa nandalo ka niharan'ny fitsaram-bahoaka. Nosakanan'iretsy voalohany ilay fiara nitondra azy ireo. Rehefa nijanona ilay mpamily dia tsy nananan’izy ireo hantra fa novonoiny izy efa-dahy ka mbola maratra mafy tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Tambohobe ny iray. Nambaran’ilay iray hany sisa velona ary fa resaka vato no anton-dian'izy ireo tany amin’io tanàna io fa tsy misy resaka halatr’olona velively. Mitohy ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana noho izany. Tafiditra ao anatin’izany ny atidoha niketrika ity fitsaram-bahoaka ity sy ny niavian’ilay tsaho. Tsy latsa-danja amin’izany ny tena anton-dian’izy efa-dahy ireto tany an-toerana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap