Lehilahy iray no maty voatsindron’antsy teny Ambohimangakely. Afak’omaly Sabotsy 12 Septambra tokony ho tamin'ny 03 ora maraina no nitrangan’izany. Nandritra ny alim-pandihizana no raikitra ny ady rehefa tsy nahatanty nahazaka vehivavy nokotian'ny lehilahy vahiny iray ny tovolahy maromaro teo an-tanàna. Voatsindrona teo amin'ny kibony vokatr’izany ilay vahiny ka namoy ny ainy. Tovolahy roa hafa ihany koa izay niezaka niaro ilay vahiny no naratra voatsindrona antsy. Nanao ny fikarohana avy hatrany ireo nahavanon-doza ny zandarimaria ka lehilahy miisa sivy no voasambotra izay nandray anjara tao anaty ady saritaka. Tazomina am-ponjakelin'ny Zandarimaria ireo olona ireo mba hatao famotorana. Anio Alatsinainy 14 Septambra no mety hiakatra fitsarana ny raharaha rehefa feno ny fepetra rehetra. Loharanom-baovao hafa moa no nahafantarana fa efa nikaoty io vehivavy io ny sasany tamin’izy sivy lahy saingy tsy nisy tena nahazaka. Narary vokatr’izany ny fon’ny sasany. Ilay vahiny rahateo mba netinety hoy hatrany io vaovao io ka izay no tena anton’ilay famonoana nihatra taman’aina ity. Andrasana izay mety ho tohin’ny tantara. Anatra ho antsika mivahiny any an-tananan’olona mikaoty ny tovovavy ao aminy ity tranga ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 9 lahy handeha hanohy ny fiainany any am-ponja !