Anisan’ny fanamby lehibe anatin’ny Politika ankampoben’ny Fanjakana ho an’ny fanavaozana na ny PGE-R ho an’ny Fitondram-panjakana ankehitriny tarihin’ny Filoham-panakana Randrianirina Michael sy ny Praiminisitra Herintsalama ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka isan’ny manamafy izany ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka tarihin’ny Minisitra Inspecteur Général de Police Erick Michel. Mifototra amin’ny vina 6 lehibe: fanavaozana mifototra amin’ny teknolojia na ny « digitalisation », ady amin’ny kolikoly, ady amin’ny tsy fandriampahalemana, fiarovana ny andrim-panjakana, ady amin’ny fanondranana sy fidiran’ny vahiny tsy ara-dalàna dia ny fiarovana ny sisin-tany, ary fampivelarana ny fahaiza-manao sy ny haha matihanina eo amin’ny polisy. Nanamafy ny Minisitra IGP Erick Michel raha nanao tatitry ny asa 3 volana, fa ny isan’ny tena mametraka ho zava-dehibe ny ady amin’ny kolikoly ny Polisim-pirenena. « Tsy azo afenina ny fanakianana amin’ny ady amin’ny kolikoly,… saingy misy ezaka lehibe eo anivon’ny ministera », hoy izy. Natsangana ny Inspection Générale de la Police Nationale (IGPM) izay manana solontena manerana ny faritra, tsy voafetra ho an’Antananarivo intsony. Fiovam-penitra lehibe no hita amin’ny fomba fiasa, indrindra amin’ny angom-baovao sy ny fanomezam-baovao eo noho eo arahina fandraisana andraikitra amin’ireo sampan-draharaha samihafa. Misokatra amin’ny fifanakalozana ara-teknika sy ara-traikefa amin’ny firenena hafa ihany koa ny polisim-pirenena, ary manana olona ampy traikefa ny amin’izany. Ny fiarovana ny andrim-panjakana dia mijanona ho laharam-pahamehana. « Misy foana ny zavatra miseho toy ny amin’ny raharaham-pirenena, ka tsy maintsy mijoro amin’ny maha mpitandro ny filaminana, tsy maintsy manaraka ny lalàna velona,… », hoy ny Minisitry ny filaminam-bahoaka.
MARO IREO VOKATRA AZO…
Eo amin’ny vokatra, tao anatin’ny 2 volana : jiolahy 10 mampiasa fitaovam-piadiana no lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny polisy. Olon-dratsy 284 no voasambotra ka natolotra ny fampanoavana. Halatra sy fandrobana 126 no voasakana. Olona 116 no voasambotra tamin’ny aferana zava-mahadomelina, ka nahitana vahiny 2 saika hanao trafika tany amin’ny Nosy rahavavy. Ho an’ny pasipaoro, mbola mipetraka 5 taona ny fe-potoana. Namoaka pasipaoro 6 223 izay nampidi-bola 1 382 370 000 Ar tao amin’ny kitapombolam-panjakana. « Visas non immigrants » 9 535 no nomena teny amin’ny seranana, nampidi-bola 803 755 000 Ar. Fanomezana « visa court séjour » 131 no navoaka, nampidi-bola 10 480 000 Ar. Efa andalam-panatsarana ny rafitra, misy ireo fangatahana toy ny hoe hanitarana ho 7 taona na 10 taona izay efa nampitaina amin’ny ambaratonga arahina fandinihana teknika ny maha mety na tsia,... Momba ny fifaninana hidirana ho polisy, vita ny 31 janoary sy 01 febroary ny an’ny « agents de police », 9 600 no nifaninana, ka 500 no horaisina. Ny 14 desambra 2025, commissaires de police 30 sy officiers 48 no nivoaka. Ny 19 desambra, polisy 1 145 no nivoaka, ka 149 inspektera ary 996 agents de police. Ny fifaninana rehetra dia natao tao anatin’ny fangaraharahana sy niarahana tamin’ny sampan-draharaha toy ny Bianco sy ny Minisiteran’ny Asa. Ny fanomanana ny fifaninana manaraka dia tsy maintsy entina amin’ny filankevitry ny governemanta sy ny minisitra, fa ezahana tsy ho ela. Nanamafy ny antso amin’ny olom-pirenena hifanome tanana hatrany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Erick Michel, mba hahafahana mametraka ny fampandriampahalemana. Nampanantena izy fa ny polisim-pirenena dia hanao izay tratrany hitondra tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka.
Toky R
Lehilahy iray 75 taona no voasambotry