airtel

Fandriampahalemana

13-janv-2026

Nodimandry ny Kolonely Bory Alain

Marius Hardyman

Sample post image

Zandary nahazaka kiana sy fanontaniana mahitsy»

13-janv-2026

Nodimandry omaly ny Kolonely Bory Alain Marius Hardyman, raha ny fampitàm-baovao voaray. Izy dia efa kaomandin’ny vondron-tobin’ny zandarimariam-pirenena tao Bongolava talohan’ny 18 aogositra 2017, izay namindrany ny fibaikoana tamin'ny Kolonely Andrianambinina Olivier, hoy ny fampahatsiahivana. Ity farany izay efa nodimandry ny 22 desambra 2021 rehefa nianjera tambonina angidimby ihany koa. Niavaka tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny mpanao gazety ny Kolonely Bory Alain ary nanome sosokevitra ny hikarakaràna fandaharana malalaka tsy misy sivana ny 3 may 2017, andro manerantany ho an’ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety, ka ny mikasika ny omby ary hanasàna tomponandraiki-panjakàna samihafa miantsehatra amin'ny resaka omby, anisany izy, no narosony ho asaina tamin’izany. Izaho, hoy izy, tsy matahotra fa vonona hihaino sy hamaly. Nanaiky hanao ny fandaharana ny depiote tamin’izany fotoana izany, hoy ny mpanao gazety nijoro vavolombelona. Nanaiky koa ny delege iray, ny avy amin’ny Justice et paix ary ny avy amin’ny Fi-Vato saingy tamin’ny ora farany hanaovana ny fandraisam-peo no tsy afaka izy sy ilay delege. Tsy navelan'ny lehiben'ny fileovana tamin’izany no antony. Nalefa foana ilay fandaharana na tsy nisy azy sy ilay delege aza. Tena tsy ankitsitsy izany fa nifetopetoka mihitsy ry depiote, ry fiarahamonim-pirenena. Izy tsy mba tezitra fa alefaso, hoy izy, fa izaho hihaino. Anisany nampisaoty azy sy olona vitsivitsy izay fandaharana izay fa efa fantany ary tsy nasiany lonilony. Any Maintirano izahay no antsoiny ny 5 may hoe "Mafy ianareo, misahotaka ato ny tanàna (sady nihomehy izy), fa mety amiko. Samy mahazo daholo amin’izay fa tsy izahay zandary foana no atao tsaky eto.". Tonga izahay, tena toy ny tsy nisy ilay fandaharana fa nitohy ny fiaraha-miasa. Mazoto mitondra mpanao gazety mihitsy izy rehefa misy vokatra azon'izy ireo. Tena nahazaka kiana sy fanontaniana mahitsy izy io, hoy hatrany ny fampahatsiahivan’ireo niara-niasa taminy. Mankahery sy mirary fiononana tanteraka ho an’ny vady aman-janany sy ny fianakaviany moa ny eto amin’ny Tia tanindrazana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

Olon-dratsy 284 voasambotra, 126 fanafihana voasoroka, 1,38 miliara Ar nampidirin’ny pasipaoro,…

Card image cap