airtel

Fandriampahalemana

19-avril-2024

Ombin-tsarety very tao Alarobia Ambatomanga

Tratra tao anaty taksibe ny henany milanja 90 kg

Sample post image

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

19-avril-2024

no voatery nosavain’ny mpitandro ny filaminana omaly Alakamisy tany amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Fantatra tamin’izany fa henan’ireo ombin-tsarety miisa 2 very tany Ankadimbazimba, kaominina Alarobia Ambatomanga ireo hita tao anaty fiara fitateram-bahoaka ireo. Ny taolany sy ny taovan’ireo omby kosa sisa no hita tany an-tanana. Lehilahy iray no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny PosteAvance Masindray vokatr’izany ka nalefa nohadihadiana ao amin’ny Poste Avance Alarobia. Raha ny fantatra moa dia anisan’ny fika hampiasain’ireo mpangalatr’omby indray amin’izao ny mivarotra ny nofony ivelan’ilay tanana nisian’ilay halatra ka ny taolany sy ny taovany sisa no avelany ho hitan’ireo tompony.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana tratra sy ilay nofon-ken’omby tratra !

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap