2 hafa tao Andranobe Amparafaravola taorian'ny fifanenjehana tamin'ireo jiolahy sy ny mpitandro filaminana, izay tafiditra ao anatin'ilay hetsika "Opération Harato". Tsy mazava amin’ny mpanara-baovao ankehitriny ny mikasika ity hetsika ity. Olona efa voasambotra antsoina hoe Rasolonjatovo Jean Charles na Jady, niaraka tamin’ny rafozany tao Ambohitrarivo, hoy ny fanazavana voaray, no mampametra-panontaniana. Tsy mpanao ratsy ilay rafozany fa nampiantrano io vinantony io fotsiny nefa tonga dia notifirin’ireo mpitandro filaminana satria nanafina mpanao ratsy. Ankehitriny dia mahagaga fa toa anaovana filazana fikarohana indray ilay olona efa voasambotra izay tena efa teo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana mihitsy. Mody navotsotra ve fa nandoa volabe, sanatria, ka alefa mitsoaka dia mody karohina amin’izay rehefa avy eo ity olona efa avy voasambotra ity, hoy hatrany ny fanontaniana?
J. Mirija
Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,
Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.
Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.
Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.