airtel

Fandriampahalemana

14-oct-2025

POLISIM-PIRENENA

Miezaka mamerina ny filaminana amin'ny laoniny

Sample post image

Miezaka mamerina amin'ny laoniny ny

14-oct-2025

fandriampahalemana ny Polisim-pirenena. Ny alin’ny 12 hifoha 13 Oktobra teo dia nanara-maso ireo toerana maro teto an-drenivohitra ireo tompon’andraikitra avy ao amin'ny Polisim-pirenena notarihin’ny Kaomisera foibe eto Antananarivo, ny Commissaire Principal de Police RAZAFINDAHY Manitra Fleurys. Ny teny Ankorondrano Andranomahery, Akazomanga Atsimo, Ankadimbahoaka, Ampefiloha Cité, Tanjombato, Anosibe... no toerana nanaovana ny hetsika. Nanomboka ny 25 Septambra teo no mankaty moa dia maro hoy ny vaovao ireo fikasan-dratsy handroba no voasakan'ny Polisim-pirenena. Miara-miasa tanteraka amin’ny VFP (Vaomieran'ny Fandriampahalemana) sy ny Andrimasom-pokonolona ihany koa izy ireo izay manara-maso sy miandraikitra ny filaminana any anaty tanàna, miaraka amin’ireo vakim-paritra ao aminy.
Nangonin'i Pati
Légende : Nafotaka tahaka izao ny fitsirihana tany an'elakelantrano !

 

Dans la même rubrique

25-août-2026

fiarahamonina manontolo izao!"

Card image cap