airtel

Fandriampahalemana

11-sept-2026

Raharaha fikasana hamaky fonja

Miitatra sy miha mangotraka

Sample post image

ny afera Kolonely Patrick…

11-sept-2026

Manamafy ny fisiana vesatra ho an’ny Médecin Colonel Rakotomamonjy Patrick ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny fanazavana nentin’ny Talem-paritry ny fonja Analamanga Inspecteur Principal Ranaivoson Olivier sy ny Tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Rakotoniaina Narindra Navalona omaly. Nambara fa tena nisy ny fahenoana tamin’ny alalan’ny angom-baovao fa nisy fikotrehana hamaky sy handoro ny fonja, ka nohamafisina ny fiambenana ny alahady 23 aogositra 2026. Fomba fiasa mahazatra ny firosoana amin’ny fikarohana sy savahao ny toeram-pamonjana. « Teo no nahatrarana finday tao anatin’ny « cellule » nisy ny kolonely Patrick Rakotomamonjy. Nosokafana ny fanadihadiana, nosavaina ny finday, ka hita tao ny hafatra sy feo nifanaovany tamin’ny olona maro », hoy ny fanazavana. Navoitra fa roa ny fomba noeritreretina hampandosirana ny Kolonely Patrick : voalohany ny fikasana handoro sy hanapoaka ny fonjaben’i Tsiafahy. Isan’ny niray tsikombakomba ny vehivavy antsoina hoe : Ralibera Léon Baby Syntia izay antsoina hoe : « Rothrock », ka ity farany no nitady famatsiam-bola 4000euros, heno sy hita tao anatin’ny hafatra miafina, hoy ny tatitra. « Raha raikitra ny zavatra ataon-dry zalahy amin’ny alalady dia tsy afaka ny hihemotra intsony ao, mihomankomana ndry, mila atao mafy ny « guerre de communication » », hoy ny tenin’i Kolonely Patrick raha ny heno tao anatin’ny horonam-peo navoaka omaly. Efa nisy fiomanana hitsena an’i Kolonely Patrick raha vao tafavoaka ny fonja izy, hoy ny fanazavan’ny Tonia Mpampanoa lalàna. Ny fomba faharoa dia famadihana ra, fandisoana valina « analyse », ary namporisika azy mba hinanana siramamy betsaka mialohan’ny fakana ra ilay mpitsabo mba hampikorontana ny valin’ny « analyse », raha ny fanazavana hatrany.
7 NIAKATRA FAMPANOAVANA, 1 NIDOBOKA AM-PONJA
Olona 7 no nentina teo anatrehan’ny fampanoavana ny 8 septambra 2026, ka naiditra am-ponja vonjimaika ilay dokotera izay nifanerasera taminy. Mbola misy voarohirohy izay tadiavina ka namoahana didy fampikarohana, raha ny tatitra. Henjehina amina loham-piampangana maromaro ireo olona ireo : Fikasana handoro ny fonja ; fikasana hampandositra voafonja; fidirana anaty fikambanan-jiolahy, ary firaisana tsikmbakomba. Voafehin’ny fitsipika anatin’ny fonja ny fampidirana fitaovana, ka ny fandikana an’ireo dia mahatonga ny voafonja ho tratry ny sazy, ka nahatonga ity manamboninahitra ity ho nafindra any amin’ny « cellule disciplinaire » ny fahitana finday tany aminy, hoy hatrany ny fanazavana. Notsindriana fa faritra mena ny fonja, ary zava-doza raha misy iray tafavoaka izay mety hiitatra. Raha hiverenana, nohampangain’ny Fitondrana tamin'ny fandrahonana filoham-panjakana, fanohintohinana ny filaminana anatiny, ary fanakorontanana saim-bahoaka ny Kolonely Patrick, izay voasambotra sy naiditra am-ponja ny volana aprily 2026. Efa nandrahona ny PRRM tamin’ny filazana fa tsy mifampatahotra, samy kolonely, fa indrindra nilaza ny volana martsa nialoha kelin’ny nahasamborana azy ny aprily 2026 hoe : "Misy fitaovam-piadiana aty amiko,… Andramo kitihina ihany ny fiainankaviako ! ». Mitombo ny vesatra andetehan’ny Fitondrana azy na eo aza ny antso samihafa mikasika ity manamboninahitra ity.
Toky R

 

 

 

 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

vinantony teo amin’ny lohany

Card image cap
17-sept-2026

Novonoina vao nariana tao, famonoana efa nomanina »

Card image cap