airtel

Fandriampahalemana

06-mars-2023

Fandriampahalemana

Raharaha “kidnapping” any Alaotra Jiolahy 6 maty rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana

Sample post image

Olona 4 voalaza fa jiolahy no maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny alin'ny sabotsy 4 martsa hifoha omaly alahady tao Morarano Chrôme,

06-mars-2023

2 hafa tao Andranobe Amparafaravola taorian'ny fifanenjehana tamin'ireo jiolahy sy ny mpitandro filaminana, izay tafiditra ao anatin'ilay hetsika "opération HARATO", izay nanetsehana mpitandro filaminana 300 noho ny raharaha fakana an-keriny. Voalaza fa ireo jiolahy mpaka an-keriny sady mpampihorohoro ao an-toerana izy ireo, ary voatonona ho naka an-keriny ireo olona miisa 3 tao Morarano Chrome ny 24 febroary lasa teo. Nifanenjehana sy nifampitifitra tamin'ny mpitandro filaminana ny alin’ny sabotsy teo izy ireo. Iray amin’ireo maty voatifitra I Zelala, anarana nalaza tato anatin’ny andro vitsy ho isan’ny atidohany mpanao kidnapping. Tafaporitsaka nitsoaka kosa ireo namany tarihan'i fano izay mbola karohana amin'izao fotoana izao. Misy ny milaza fa mirehareha ho “assistant parlémentaire” an’ny depiote iray ary namana akaikin’ny olona ambony miasa eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika I Zelala sy Fano, saingy ny fanadihadiana moa no mamaritra ny fahamarinany na fahadisoany. Matoa anefa ry zalahy sahy manao asa ratsy amin’ny fomba feno habibiana tahaka izao, dia mahatoky tena ary mahatoky fa manana mpiaro matanjaka. Maro no mandika ny tranga tahaka itony amin’ny fanaperana ny ain’ireo jiolahy hoe: “ny maty ihany no tsy miteny” sao hamoaka tsiambaratelo, saingy amin’ny lafiny iray dia henjana ny fifanandrinana amin’izy ireny, ka tsy mitsitsy ny mpanenjika. Hatreto, tsy mbola nisy ny fandisoana eo anatrehan’ny filazana fa “assistant parlémentaire” ireo voatonontonona izay nisy maty sy mbola karohina. Voalaza fa mifandraika amin’ny klioba mpanao baolina ao Morarano Chrome ihany koa ireo jiolahy mpaka an-keriny. Hatry ny ela, hoy ny fitantarana, no nampikaika olona ireo mpihetraketraka, ka miseho amin’ny endriny maro izany. Izay fantany fa manam-bola, dia tondroiny ho mpanao “kidnapping” ary lazaina fa efa fantatry ny mpitandro filaminana, ka dia hakany vola mba hoe: handaminana ny raharaha, hoy ny fitantarana. Vao tsy ela, hoy ny fanamarihana, no nisy nahazoany vola 50 tapitrisa Ar tao Mahakary Kaominina Ambatomaity. Hatramin’ny mpampianatra rahonany fa hafindra toerana, hoy hatrany ny fanamarihana. Raha miverina kely amin’ny raharaha Morarano Chrome, mbola tsy votsotra ireo olona 3 nalaina an-keriny hatramin’ny omaly tolakandro, fotoana nanoratanay ny vaovao.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap