tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fandriampahalemana

Raim-pianakaviana nody alina Voatsindrona antsy ny tenda, lasa ny 12 tapitrisa Ar

Raim-pianakaviana iray nody avy niasa alina no nifanehitra tamina jiolahy enin-dahy ka voatsatoka antsy teo amin'ny tendany ny alin'ny zoma teo tao amin’ny tranona mpiasana haino aman-jery iray eo Antanetilava Ikianja

15-nov-2022

Sample post image

Ambohimangakely. Mitentina 12 tapitrisa Ariary ny vola sy ny tomban'entana very, raha ny fampitam-baovao voaray. Tonga ny alin'io ihany ny mpitandro filaminana ary nandray an-tanana andro aman'alina ny fanadihadiana ny zandary Ambohimangakely. Tonga avy niasa ilay raim-pianakaviana mpanofa trano ao ambadika, sahabo ho tamin'ny 11 ora sy 40 minitra alina, no nahatsikaritra entana iray teo an-tokontany sy nahita lehilahy tao anaty fefy. Vetivety teo anefa nisy 5 lahy hafa nifandrombaka nanampy ity farany ka nidaroka totohondry sy bolabolankazo na “bois rond” ilay mpiasa tafody alina. Nandritra izany koa no nisy nanindrona antsy ny tendany. Niantso vonjy ilay lasibatra ka vory ny fokonolona ary 15 minitra mahery taorian'izay no tonga ny mpitandro filaminana. Tafaporitsaka ireo jiolahy. Notsofain'ireo jiolahy ny vy mitana ny fanalahidin'ilay varavarana vy. Heverina fa efa ora maro no nandroban'izy ireo fa very tao avokoa ny vola, kojakoja an-dakozia sy an-tokantrano lafo vidy ary ny entam-barotra ombana fitaovam-pivarotana tahaka ny mizana. Sady tsena io toerana io. Nanao sesilany ny halabotry, vaky tsena tamin'iny faritra Antanetilava, ampitan'Ikianja iny tato ato. Tsy nisy natory tao amin'io trano voaroba io tamin'io alina io noho ny fandaminana tamina tsena hafa an-drenivohitra fa raha tsy izany dia ahiana ny vono olona. Tsikaritry ny manodidina, ora maro taty aoriana, fa mbola nanentoento ilay entona fampatoriana nanadontoan'ny olon-dratsy ireo mpifanila vody rindrina, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fandraisana mpitandro filaminana Mila matotra sy hentitra kokoa ny fepetra sy sivana
02-juin-2023

Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,

Card image cap
Polisim-pirenena Olon-dratsy 255 tamin’ireo1442 nosamborina no maty
02-juin-2023

Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.

Card image cap
Ministeran’ny filaminam-bahoaka Foto-drafitrasa 45 no naorina tao anatin’ny efa-taona
02-juin-2023

Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.

Card image cap
Mpanendaka tratra teny isotry Nahitana diana seringue fitsindronana rôrô ny tanany
01-juin-2023

Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.

Voir plus