airtel

Fandriampahalemana

17-avril-2023

Fandriampahalemana

Reniranon’i Fierenana Toliara Lehilahy iray hita faty, efa tsy nisy lohany intsony

Sample post image

Mitohy hatrany ny vono olona feno habibiana any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny.

17-avril-2023

Lehilahy iray indray omaly alahady maraina no hita faty teo amoron’ny reniranon’i Fierenana izay etsy tsy nisy lohany intsony. Raha araka ny tomban’ny maro dia mety novonoin’ny sasany tany amin’ny toeran-kafa ity lehilahy ity ka nalainy ny lohany mba hakany ny masony sy ny lelany…Nariany teny amoron-drano avy eo. Tsy maty an-drano mantsy izy raha ny fahitana azy. Mbola nisy ra maina rahateo teo amin’ny tratrany. Raha araka ny fanazavan’ireo olobe any an-toerana moa dia vokatry ny tsy fananan’ireo tanora tovolahy any an-toerana asa no mahatonga azy ireo hirona amin’ny famonoana olona sy fakana taova tahaka izao ka tokony hojeren’ny Fitondram-panjakana. Manampy trotraka izany ny haintany miteraka tsy fahampian-tsakafo lava mahazo ireo mponina any an-toerana ka tokony hitadiavam-bahaolana. Olona 15 latsaka hatreto no efa tratran’izao famonoana sy fakana taova izao tany amin’ny Faritra Atsimo tato anatin’ny telo na efa-bolana.
Nangonin’i Pati
Legende : Misy zavatra hafahafa amina resaka olona hita faty, tsy ampy taova any amin’ny faritra atsimon’ny nosy.
 

Dans la même rubrique

21-sept-2023

Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na

Card image cap
21-sept-2023

Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe

Card image cap