airtel

Fandriampahalemana

25-sept-2023

RN1 BIS_ Fanafihana taksibrosy

Maro ireo naratra, very ny vola maherin’ny 3 tapitrisa Ar

Sample post image

Notafihin'ny dahalo enin-dahy nitondra basy hazo enina ny taxi brousse roa izay avy any amin’ny distrikan’i

25-sept-2023

Tsiroamandidy handeha ho any amin’ny distrikan’i Maintirano omaly Alahady maraina ao amin’ny koperativa Fifitsy sy Fofimandidy. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tokony ho tamin'ny 06 ora maraina tany ho any no nitrangan’izany teo amin'ny toerana antsoina hoe : Bebao eo anelanelan' Ambaravaranala sy Iorimbato ,izay mbola ao anatin’ny Faritra Bongolava. Mpandeha maro no naratra vokatr’izany noho ny tifitra nahazo azy ireo. Lasan’ireo jiolahy ihany koa ny vola mitentina 3.080.000Ar niampy finday miisa 07 sy sakaosy feno lamba maro. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly avokoa moa ireo naratra hoy hatrany ny vaovao azo.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa tonga nanavotra ireo voatafika ny mpitandro ny filaminana ka nitondra ireo naratra tany amin’ny hopitaly !
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap
26-mai-2025

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazàna ny faha 102 taonan’ny Sekoly

Card image cap