airtel

Fandriampahalemana

02-déc-2025

Roalahy nanafika teny

Ambohimahimatsy 1 voatifitra teny

Sample post image

ambony tafo, 1 tafaporitsaka

02-déc-2025

Roalahy nikasa hamaky tranon’olona teny Ambohimahitsy no saron’ny zandary ka voatifitra teo amin’ny feny ny iray, raha toa ka tafaporitsaka ny namany, hoy ny fampitàm-baovao voaray omaly. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny teny Ambohimahitsy ny alin’ny alahady teo no voalaza fa nahitàna azy ireto teny ambony tafon-tranon’olona. Vantany vao voatsilon’ireo mpitandro filaminana tamin’ny jiro izy ireo dia nandositra ireto lehilahy niampita tamina tafon-trano hafa. Nanao antsoantso sy nanao tifitra fampitandremana in-3 ny zandary mba hampijanona azy, saingy tsy nijanona izy ireo ka voatery nitifitra. Voa teo amin’ny fe havanana ny iray tamin’izy ireo ka nilatsaka tao anaty tranon’olona vokatry ny fahalemen'ny tafo. Na izany aza dia niezaka nitsoaka ihany izy ka nitsambikina avy eny ambony lavarangana fa voasambotra ihany. Nandre ny poabasy ireo fokonolona teny an-toerana ka tao ireo nanamafy avy hatrany fa anisan’ireo jiolahy malaza amin’ny fanendahana, ny fanaovana sinto-mahery, ny famakiana trano sy fanafihana mitam-piadiana ilay voatifitra. Tsaboina eny amin’ny hopitaly noho ny ratra nahazo azy i Dômbôlô, iray tamin’ireo jiolahy, ary karohina fatratra kosa i Nicolas namany niaraka taminy tamin’io fotoana io, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Vao 18 taona monja i Vakisoa saingy

Card image cap
04-déc-2025

Efatra mianadahy nadoboka eny Antanimora

Card image cap
04-déc-2025

Zava-doza no nitranga tany amin'ny

Card image cap
04-déc-2025

Tovolahy telo nikasa hamaky fiara no

Card image cap