Anisan’ireny ny angorongosy, ny maialinkomana ny rhumatisme, ny aretin’ny fo, ny androbe, ny soika, ny vavony, ny tsy fahitantory… Ny menaka matavy ao anatiny voan-drongony koa dia manan-danja ahitana otrik’aina rehetra izay tsy hita amin’ny zava-boary afatsy ny rongony. Na izany aza hoy ny mpitsabo dia misy fatrany izy io ary tsy azo hanin-kanim-poana. Efa fiankinan-doha sy fitadiavana tsirom-piainana hafa mihitsy hoy hatrany izy ny an’ireo olona sasany mihinana na mifoka rongony diso tafahoatra isan’andro ka misy maty mihitsy ny sasany. Vehivavy iray tokony ho 37 taona omaly maraina no hitan'ny fokonolona tao anaty kirihitr'ala tao amin'ny Ambohimadera kaominina ambanivohitr’Ambalavao, distrikan’Atsimondrano. Raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo dia maty vokatry ny fihinanana zava-mahadomelina diso tafahoatra izy io. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy ny polisim-pirenena niaraka tamin’ireo mpiasan'ny fahasalamana nijery ny razana mialohan’ ny nitondran'ireo fianakaviany ny vatana mangatsiakany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay vehivavy maty
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy