Tsy mitsitsy ihany koa anefa ny polisim-pirenena amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra. Jiolahy miisa roa saika hanafika cash point teo amin'ny lalam-by Anosibe indray vokatr’izany no lavon’ny Polisin’ny SAG (Service Anti-Gang) afak’omaly Sabotsy 21 Desambra tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro. Angom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafantarana ny fisiana andian-jiolahy miisa 5 mirongo fitaovam-piadiana nihaodihaody sy nikasa handroba cash-point teny an-toerana. Nidina nanao fisafoana sy nanamarina izany ny Polisin’ny SAG, ka raha vao nahita azy ireto jiolahy, dia namoaka ny fitaovam-piadiana teny aminy ka nampiasa izany no sady nandositra. Tao anatin’ny fifampitifirana no nahalavo ireo jiolahy miisa roa ireo raha tafatsoaka samy nanana ny lalany kosa ireo namany telo hafa.
Pati
Legende : Ireo jiolahy namoy ny ainy !
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy