airtel

Fandriampahalemana

26-mars-2024

SAIKA HANATITRA VOLA TANY AMIN’NY BANKY

Vehivavy iray matin’ny tifitra teo amin’ny tendany

Sample post image

Tena mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

26-mars-2024

Romotra ireo mpanao ratsy ary tena mamono mahafaty mihitsy raha vantany vao misy resa-bola toy ny nitranga tao Toliara tampon-tanana omaly Alatsinainy 25 Martsa folakandro. Vehivavy iray manodidina ny 30 taona izay tompon’andraikitra amin’ny fikirakirana vola tao amina toeram-pivarotana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro iray any an-toerana no maty notifirin’izy ireo teo amin’ny tendany. Raha araka ny vaovao azo dia efa nisy jiolahy iray niandry io vehivavy io raha vantany vao nivoaka ilay tsena. Nanapoaka basy avy hatrany itsy voalohany raha vantany vao nahita azy niditra tao anatin’ilay fiara ka ankoatra ny poa-basy indroa nisesy nanaparitahana ny manodidina dia nafatrany tamin’ity tendan’ity tovovavy ity ny iray. Maty tsy tsa-drano ity farany vokatr’izany ka noraisiny moramora ilay kopetra nisy ilay vola. Efa notsenain’ireo namany tamin’ny moto kosa ilay jiolahy iray ka lasa nirifatra tsy nijanona no sady mbola nanapoaka basy ihany. An-jatony tapitrisany maro moa ilay vola very hoy ny vaovao azo.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap