airtel

Fandriampahalemana

30-juin-2025

Sakoroka tany Antsahavola Amparafaravola

Lehilahy iray niharan’ny vono sy daroka vody basy

Sample post image

Zandary iray no voalaza fa naratra voavely tavoahangin-dabiera tany Antsahavola Amparafaravola,

30-juin-2025

raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Nandiso ny tati-baovao voalohany mikasika izany moa ny fianakavian'ireo sivily voakasika. Nisy vehivavy talohan'ireo 2 lahy, hoy ny fitantaràna. Rehefa nandeha ny mozika dia nangataka niaraka nandihy izy ireo. Tsy nahatàna ilay zandary ka tonga dia nanosika sy nanaraka totohondry. Rehefa nahita an'iny ilay namana sasany dia nanavotra sy nandamina. Tsy te hahalala intsony ireo zandary sady tsy nihaino akory fa tonga dia nidaroka tamin’ny vody basy sy ny karazany, hoy hatrany ny tatitra. Tsy vitan'izay fa mbola nodarohana hatrany tsy an-kijanona ilay olona. Tsy mba nisy famotorana akory na kely aza, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique