airtel

Fandriampahalemana

28-déc-2022

Fandriampahalemana

Saropody Androndra Midoroka rongony ireo jiolahy mpamaky trano

Sample post image

Saika miaraka amin’ny rongony hatrany ireo mpanao ratsy eto amintsika amin’izao rehefa hanao ny hataony.

28-déc-2022

Ankoatra ireo mpanolana dia efa ahitana taratra izany ihany koa ireo mpamaky trano, zava-mahadomelina mitarika azy ireny hanao ny tsy fanaony. Ho an’ireo lehilahy miisa telo tratra teny Saropody Androndra omaly Talata 27 desambra teo ohatra dia tamin’ny 10 ora maraina izy ireo no tratra. Polisy nanao fanamiana no nahatazana azy ireo hafahafa ka avy hatrany dia nisambotra. Rehefa nosavaina izy ireo dia nahatrarana vola madinika marobe toy ny 50 Ar miisa 32isa, 20Ar miisa 49isa, 10Ar miisa 34isa. Nahitana fitaratra maromaro sy lampe de poche, ranomanitra, fitaovam-pianarana maromaro ary lamba ihany koa tany amin’izy telolahy. Tsy latsa-danja tamin’ireo ny rongony maromaro izay nafenina tao anaty tranon-tsigara. 24 taona sy 33 taona ary 58 taona izy telolahy ireto.
Pati

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap