airtel

Fandriampahalemana

13-févr-2024

Tafika an-dranomasina Amerikanina

Mandalo eto ny tonia mpanatanteraka miasa any Eoropa sy Afrika

Sample post image

Manatrika ny atrikasa momba ny vehivavy sy ny filaminana ary ny fandriampahalemana

13-févr-2024

ny tompon’andraikitry ny tafika an-dranomasina Amerikanina, araka ny fampahafantarana nataon’ny Masoivoho Amerikanina eto. "Nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fampandraisana anjara ny vehivavy amin'ny sehatra rehetra momba ny filaminana sy fandriampahalemana ity atrikasa androany ity", hoy ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo raha nanokatra tamin'ny fomba ofisialy niaraka tamin'ny Tonia Mpanatanteraky ny tafika an-dranomasina Amerikanina miasa any Eoropa sy aty Afrika Juliet Beyler ity atrikasa rezionaly voalohany momba “Ny vehivavy sy ny filaminana ary ny fandriampahalemana” ity. Mialohan'ny fanazaran-tena an-dranomasina isam-paritra lehibe indrindra tarihin'i Etazonia Cutlass Express amin'ity taona ity, dia tonga niara-nidinika teto ny fanomezana sehatra ny miralenta sy ny fampandraisana anjara feno ny vehivavy amin'ny sehatry ny filaminana an-dranomasina ireo mpandray anjara avy eto Madagasikara, Mozambika, Seychelles, Somalia, ary Oganda, hoy ny fampitam-baovao. Amin'izao fandalovany eto Madagasikara izao, dia hihaona sy hidinika amin’ireo tompon’andraikitra Malagasy voakasiky ny filaminana an-dranomasina ihany koa Rtoa Beyler. Nambara fa mampiseho ny fifandraisana an-dranomasina matanjaka sy maharitra eo amin'i Etazonia sy Madagasikara ary manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny fiarovana an-dranomasona izao fitsidihana izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap
27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap