airtel

Fandriampahalemana

25-avril-2023

Fandriampahalemana

Tafika Malagasy Manomana fanazaran-tena iraisam-pirenena

Sample post image

Ho fampiharana ny fanitsian-drafitra dia miomana amin'ny fanazarantena iraisam-pirenena Ivondro 2023 ho

25-avril-2023

tanterahina any amin'ny Faritra Atsinanana amin'ny faramparan'ny volana Aprily izao ny Tafika an-Tanety, araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena omaly 24 aprily 2023. Araka ny toromarika nomen'ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly Sahivelo Monja Delphin, dia nandray ireo miaramila hiantsehatra amin'ity hetsika fanazarantena ity ny Jeneraly Rakotoson Jocelyn, sous CEM Emploi EMAT ny Alatsinainy io omaly io, ka nivoitra tamin’izany ny fanomanana ny miaramila sy ny fitaovana izay mety ilaina amin'ny fanazaran-tena izay ho tanterahina sy ny fampitana ny baiko sy ny lamina avy any amin'ny foibe fibaikoana ny hetsika (COIA EMA). Nomarihina fa raha ny fanitsian-drafitra dia andraikitry ny Tafika an-Tanety rantsana "chaînes organiques" eo ambany fiahian'ny Jeneraly Rakotoson Jocelyn ny fanofanana ny miaramila, ny fanomanana sy fikojakojana ny fitaovana ho entina manatanteraka ny hetsika.

Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap
26-mai-2025

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazàna ny faha 102 taonan’ny Sekoly

Card image cap