airtel

Fandriampahalemana

18-avril-2023

Fandriampahalemana

Talata Miandrandra Arivonimamo Tokantrano iray voatafika, 5 naratra, nanjavona ny 3 tapitrisa Ar

Sample post image

Mahazo vahana tanteraka ny fanafihan-jiolahy any amin’iny faritra andrefana iny. Voakasik’izany manokana ny ao amin’ny distrikan’Arivonimamo.

18-avril-2023

Tokantrano iray tao amin'ny Fokontany Anorana Ankadivavala, kaominina ambanivohitra Talata Miandrandra, distrikan'Arivonimamo ny alin'ny alahady 16 aprily teo tokony ho tamin'ny 10 ora sy 45 minitra no nisy nanafika. Dahalo tsy latsaky ny 10 lahy nirongo fitaovam-piadina mahery vaika no indray nanao ny asa ratsiny nandritra izany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nafatotr'izy ireo avokoa ny mpiambina ny tanana. Notereny namoaka ny vola rehetra tao an-trano ny tompon-trano taorian’izany rehefa tafiditra izy ireo. Nisy tamin’ireo farany no nokapohina tamin’ny vodibasy ny 3 raha voatifitra kosa ny olona 2 nandritra ny fanerena natao azy. Mbola nisy tamin’izy ireo mantsy no niezaka ny nanafina ilay vola. Na izany aza lasan’ireo tsy mataho-tody ihany ny lelavola 3 tapitrisa Ariary. Efa naiditra etsy amin’ny hopitaly HJRA moa ireo naratra manaraka ny fitsaboana sahaza azy.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.

Card image cap
13-juin-2025

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,

Card image cap
12-juin-2025

Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.

Card image cap
12-juin-2025

Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap